OLONA 3 NANGALATRA MOTO

Tratra tamin’ny andro atoandro, vehivavy ny iray


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Efa tsy menatra intsony ireo mpangalatra eto amintsika amin’izao.

Olona miisa 3 nangalatra moto marika Yamaha Cruz no fantatra fa saron’ny polisy tany Ambodisatrana, akaikin’ny tsena Manaingazipo ny amin’ny distrikan’i Sambava afak’omaly Talata 17 Desambra tokony ho tamin’ny 08 ora sy 15 minitra maraina. Nahatazana ireo Polisy nanao fisafoana ireto mpangalatra ireto ka niezaka nandositra, saingy voasambotra ihany rehefa nifanenjehana. Vehivavy rahateo ny iray izay fantatra fa anisan’ireo tena ati-doha. Hatolotra ny fitsarana anio Alakamisy 19 Desambra izy ireo rehefa vita soa aman-tsara ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fety izao. Ankoatra ny hala-botry dia mahazo vahana ny asa fanendahana sy ny fangalarana moto izay tsy mifidy intsony na any amin’ny faritra na eto an-drenivohitra.
Pati
Legende : Ireto izy 3 mianadahy tratra nangalatra moto 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT