Olona 2 natao « kidnapping » any Tsaratanana

Mitaky 140 tapitrisa Ar ireo jiolahy, very hevitra ny fianakaviana


  • Zoma 09 Febroary 2024

Nitrangana fakana an-keriny indray tany amin’ny Fokontany Ambolosy,

kaominina ambanivohitra Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana ny Alahady alina lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora. Vehivavy roa samihafa saingy mpiray monina no lasibatra tamin’izany. Ho an’ilay Renim-pianakaviana iray vao 28 taona monja, manan-janaka mianadahy kely dia fantatra fa 60 tapitrisa Ar be izao no takian’ireo jiolahy amin’ny vady andefimandriny izay mitaraina sy manao antso avo fatratra ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. 80 tapitrisa Ar kosa no takian’ireo jiolahy amin’ilay fianakaviana iray izay marihina fa samy tsy manan-katoraka avokoa. Mangataka ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky izao tranga izao moa ilay Raim-pianakaviana iray vadin’ilay Renim-pianakaviana vao 28 taona monja. Manahy mafy izy sao vonoin’ireo dahalo ny vadiny raha sanatria ka tsy hitany io lelavola io. Ny laharam-pinday 034 88 669 22 no hahazoana azy.
Pati
Legende: Ireto izy mivady !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT