Fandriampahalemana

Nosy Be Lehilahy iray maty notapahan-doha


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Tsy mijanona any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy intsony ny fanapahan-doha amin’izao fa efa tonga any amin’ny faritra Avaratra ihany koa.

Harantin’ireo mpanao ratsy hatramin’ny antsy namonoany ilay olona mihitsy, toy ny nahazo an’iRemamohitsy, lehilahy iray 47 taona fantatra ny maro amin’ny anarana hoe : Abou . Tamin’ny Sabotsy teo no hita tany anaty ala tao Djamanjary Nosy Be ny nofo mangatsiakany. Karazan’irony efa nampijaliana fatratra irony, hoy ny vaovao. Ny Alakamisy alina izy no niala tao an-tokantranony raha ny filazan’ireo fianakaviany. Mbola salama tsara tsy nanana olana izy nandritra izany. Tsy niverina intsony anefa izy fa olona sendra nahatadidy ny akanjo nanaovany no nampandre ireo fianakaviany saingy rehefa nojerena ny razana dia efa tsy nisy lohany intsony ihany koa. Mbola hita teo amin’ilay toerana namonoana azy moa ilay antsy feno ra nanapahana ny loha ary mbola hita niaraka taminy ihany koa ny findainy.Vaovao farany voaray omaly moa ny hoe : efa misy ireo olona ahiahiana mikasika ity raharaha ity koa andrasana izay mety ho tohiny. Ahiana hampihena ireo mpiala sasatra hiazo an’i Nosy-Be moa ity trangana tsy fandriampahalemana miseho any an-toerana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Niaraka tamin’ny antsy tahaka izao no hita ny nofo mangatsiakan-dRatompokolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT