NOSY BE HELL VILLE

Tovolahy mpangalatra akoho, maty matin’ny herinaratra


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Tovolahy iray vao 22 taona monja no maty main’ny herinaratra omaly

Alahady 18 Febroary tokony ho tamin’ny 04 ora maraina rehefa nikasa hangalatra akoho. Raha araka ny vaovao azo dia nikasa hangalatra akohon’olona ity tovolahy ity ka niditra tao an-tokontanin’olona tao Ambonara. Loza anefa no nitranga fa nisy herinaratra ilay tranon’akoho saika horobainy ka nanefa hatramin’ny ainy. Ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny zava-nitranga no nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera ka ireto farany no nanamarina fa tena matin’ny herinaratra marina ilay tovolahy. Efa naterina ao amin’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly Nosy Be hell Ville ihany moa ny razana tamin’io andron’ny omaly io miandry ny fianakaviany mba haka izany.
Pati
Legende : Fitiavana te-hihinana akoho no namoizan’ity tovolahy iray ity ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT