Nokarohina noho

fivadiham-pitokisana Nipoitra sy tratry ny


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

tsy nampoiziny 2 taona taty aoriana

Nanao fivadiham-pitokisana ary nanolotra taratasim-bola tsy misy anto-bola akory ity ramatoa iray, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny borigady misahana an'Antananarivo etsy Itaosy ny sabotsy teo. Efa ny 13 aogositra 2024 no tsy hita ramatoa. Nitory azy ny olona nanaovany fivadiham-pitokisana. Nantsoina izy. in'efatra nandefasana taratasy fiantsoana. Nilaza hoavy hamaly ny antso, ho tonga, saingy tsy tonga. Tsy hita tao amin'ny toeram-ponenany intsony ary nifindra nonina faritra hafa mihitsy angamba. Ny 13 febroary 2026 teo kosa, tsikaritra ao Ambaniala ny anao vavy, manatrika fandevenana ka nisy nampandre ny zandarimarian'ny Borigadin'Itaosy. Vita ny fandevenana, niparitaka ireo mpandevina vao nanatona azy ny zandary. Vao nahatazana zandary anefa izy dia nitady lalana hitsoahana saingy efa feno zandary ny lalana hizorany ka dia nanaiky mora foana no azony natao. Vantany vao azon'ny zandary izy dia nisesisesy ny olona tonga nanamafy ny fitoriany ka efa nanan-draharaham-pitsarana taminy. Tonga ihany koa ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava eny Anosy nitondra ny baikom-pitsarana sy ny filazana fikarohana azy. Tonga ihany koa ny zandary avy amin'ny Toby Ratsimandrava dia ny fitantanana ny raharaha m-pitsarana na "Direction de la Police Judiciaire" nitondra taratasy fikarohana hafa mikasika azy. Rehefa vita ny famotorana nataon'ny zandarimaria dia nanohy ny asany koa ny polisim-pirenena. Aorian'izany dia hatolotra ny fitsarana izy sy ny antontan-tarasy mavesatra sy matevina miampanga azy, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT