Fandriampahalemana

Nitsimbadika ny fitsarana Fianakaviana voatafika indray no notondroina namono jiolahy


  • Talata 25 Jolay 2023

Ny alahady harivan’ny 9 jolay 2023 teo, rehefa avy nanao fampisehoana tao amin'ny CC ESCA Antanimena ny zanany vavy niaraka tamin'i Fanja Andriamanantena,

rehefa nigadona tao an-trano tamin'ny 9 ora alina mahery kely, nisy feom-behivavy toa mitaraina mila vonjy tao am-baravarana, mbola fotoana fivezivezen'ireto fianakaviana manao raharaha, namoha ny varavarana ny raim-pianakaviana, kinanjo tonga dia antsy lava lela no nitsena azy, marihina fa ambony rihana ilay trano, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nifampitolona teo ilay raim-piankaviana mihoatra ny 50 taona. Natahotra ny vady aman-janany izay vehivavy avokoa ny lehibe. Lasa nandositra tany an'efitra. Ilay reny no hany nitady hanampiana ny vadiny izay efa voafiran’ny antsy ny tanany. Izay hitany no namelezany azy ary voa tao ankatoka ilay jiolahy nanafika trano. Niantso vonjy, vory ny fokonolona tonga ny polisy. Rehefa izay dia nasain'ny polisy notsaboina aloha ilay jiolahy. Teny amin’ny CHU-JRA Ampefiloha dia hita nifamezivezy ny fianakavian'ny mpanafika niresaka tetsy sy teroa. Tsy noraisina kosa ilay raim-pianakaviana nanomboka tamin'ny 10 ora alina ka hatramin'ny 3 ora maraina. Re tamin'ny mpitandro filaminana indray fa marary saina indray hono ilay olona. Dia tsy notazonina fa hoe hiantohan'ny fiankaviana ny fitondrana azy eny amin'ny paositry ny polisy eny Analamahitsy saingy andro vitsy, natahotra ny fianakaviana notafihana fa nivezivezy teny ilay mpanafika ary manahy sao mbola hiverina. Tandindonin-doza ny ain'ny fianakiaviana. Nisy fitarainana vao nentina teny amin'ny fampanoavana. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy. Nitsimbadika ny raharaha teo amin'ny fitsarana fa notondroina ho namono ilay jiolahy ny fianakaviana voatafika. Voasazy an-tranomaizina heritaona, sazy miantona sy onitra 2 tapitrisa Ariary ireo voatafika. 3 volana ho an'ny vadiny, miampy onitra 150.000 Ariary. Mampiakatra ny raharaha ny voatafika. Notakian'ny mpisolo vava ny antsy nentina efa tany amin'ny mpitandro filaminana naseho teo amin'ny fampanoavana fa tsy hita nandritra ny fotoam-pitsarana, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT