Nisy namaky ny tranon’i Dr Lejim 415

Lasa ny solosaina misy ny asa sy famoronany rehetra


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Tena andro ratsy ho ahy omaly (TTF: ny zoma teo), hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpanakanto, Dr Lejim 415,

nanoloana ny tranony nisy namaky ny faran’ny herinandro teo! Olona tsy mpanam-bola aho fa mpanao mozika sy mpikaroka, hoy izy. Manao asa famoronana ka anisany manan-danja amin'ny asako ny solosaina. Raha misaraka amiko tampoko izany dia tena tsy zakako ary mety maro ianareo no mitovy amiko. Izao no nitranga omaly. Izaho amin'ny trano ipetrahako, sendra tsy nisy namana fa nisy mpiara-miasa avy any Toamasina sendra nisy resaka dia nandroso tan-trano, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro teo. Mety 20 minitra izahay no niresaka dia lasa izy ary nateriko nivoaka ny tokontany mba ho tonga amin'ny arabe. Efa taona maromaro tato tsy mbola nisy nampiahiahy ny fandriampahalemana. Tsy mahazatra ahy ny manidy trano. Lalana ivoahako io ihany no misokatra idiran’olona tokony hiditry fa tsy nahatsikaritra olona aho. Io sary hitantsika io no niasako nanomboka naraindraina sady manoratra lahatsoratra aho no manatsatoka ny solosainako no misy kapila mavesatra na «disc durs» miisa 2 tena lafo vidy eo. Avy nanatitra ny namako io aho no niverina ary mbola misokatra ohatran’ny mahazatra ilay varavarana. Indrisy fa avy nandeha iny aho no nalain’ny olo-dratsy ny solosainako ary navelany teo ny famahanana na «chargeur» sy fanampim-bokotra na «souris» ary zava-maro teo ambony latabatra teo. Solosaina tsy vaovao fa efa nampiasaiko hatramin’ny taona 2018. Efa raikitra amiko. Tsy voavidiko ary tsy ho voamboatra moramora ny foko noho ny fahaverezan’ny zava-drehetra tao. «Vidéos conférences» na fizarana ampitain-davitra isan-karazany, hira isan-karazany, maro ny horonantsary efa nalaiko izay tsy ho tafaveriko intsony, «Thèses de Doctorat» maro, «documents» na antotan-kevitra sy lahatsoratra, antotan-kevitra manokana, famoronan-kira mbola tsy vita, izay efa tsy tsaroako intsony sy ny maro hafa. Fehiny, marary aho. Misy olombelona ratsy ary tena tsy takatry ny saiko izaho ahita solosain’olona feno antotan-kevitra ilainao dia hamafa na hanary azy. Samia mitandrina ianareo mbola tsy voa mba hikajy ny antotan-kevitra rehetra amin'ny toerana tsy misy risika! Tena misy ratsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT