Nisavoritaka ny

mponin’Andranonahoatra Nisy nahita ilay biby mpihinana biby fiompy…


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Tsy mijanona amin’ny faritra iray intsony fa efa saika miparitaka manerana ny Nosy

mihitsy ilay biby voalaza fa mivoaka amin’ny alina ary mitroka rana biby fiompy eto amintsika. Taorian’Alasora Avaradrano dia nisavoritaka indray ny mponin’Ambohikely Avatra, kaominina Andranonahoatra, distrikan’ Atsimondrano afak’omaly Alatsinainy 26 Febroary alina nanomboka tamin’ny 09 ora teo ho eo. Raha araka ny fanadihadiana natao dia lehilahy iray nanao maloto tamin’ny tata-drano no nodinganin’io biby io avy any an-damosiny. Avy hatrany dia nalemy ny tongotr’itsy voalohany vokatr’izany saingy mba nahatsoka kirioka ihany ny tenany raha araka ny fanazavany. Tsy tapaka kirioka mantsy eny an-tendan’ity lehilahy ity rehefa mivoaka alina izy. Nivoaka avokoa ny fokonolona nanoloana izany ka tsy vitsy ireo mbola nahita ilay biby. Raha araka ny fanazavan’ireto farany dia mitovy endrika amin’ny liom-bavy izy io. Menamasobe no sady be volony be ary mandeha mafy dia mafy tokoa no sady tsy iray monja. Vetivety izy dia nanjavona vokatr’izany na dia efa nodidinina tovolahy maromaro aza, ireto farany izay nanapa-kevitra fa hanao fiambenana isan-kalina manomboka izao. Tsiahivina moa fa tamin’ny faran’ny herinandro teo dia toerana fiompiana biby fiompy iray tao Ambohikely Avaratra Itaosy no nataon’io biby io nahita faisana ireo gana sy akoho tao anatiny. Saika tapaka avokoa ny tendany sy ny lohan’ireto farany noho izany, biby fiompy saika havoaka mialohan’ny fetin’ny Paska.
Pati
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT