Tambazotra mpangalatr'olona ary mitady mpividy no tratran'ny velapandriky ny zandarimaria avy ao Itasy omaly.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy tovovavy miisa 2 (14 sy 15 taona) very tany Belavenona, kaominina ambanivohitr’iMananasy, Soavinandriana ny 24 Aogositra lasa teo. Nanao ny fikarohana ny havany fa tsy nahitam-bokany ka nampandre ny zandary. Nahazo angom-baovao avy tamin'ny Sampana fikarohana ny heloka bevava Fiadanana Antananarivo ny zandarimaria GAPJ Itasy fa misy andian'olona mitady mpanam-bola mpividy olona any amin’iny faritra iny. Natao ny velapandrika noho izany. Nampiasa hakingana koa ny zandary noho ny hafetsen’ ireo jiolahy ka tsy sarotra ny nisambotra azy ireo. Azo sambo-belona soa aman-tsara ireo jiolahy mpivarotr’olona ireo ka fantatra fa sipan’izy ireo ireto tovovavy kely roa tsy ampy taona very ireto. Tsy nahalala akory izay hahafaty azy ireto farany fa manantena fitiavana mamy sy bandy mikarama be fotsiny. Jiolahy rain-dahiny anefa no hiondakondanany. Misy amin'izy enina mirahalahy no efa nigadra. Nisy ny nisandoka ho zandary... Manana karatra roa samihafa ihany koa izy ireo. Mbola karohana hatreto izy roa vavy kely avy any Mananasy. Asa na efa lafo na very tsy misy ifandraisany amin'ity raharaha ity intsony, hoy hatrany ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy mirahavavy kely nanjavona sy ireo jiolahy sakaizany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.