Nirefodrefotra ny teny

Sud Ambohipo Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny polisy


  • Talata 24 Febroary 2026

Nirefodrefotra ny basy !

Nandriaka ny ra omaly alatsinainy 23 febroary tokony ho tamin'ny 04 maraina teny Sud Ambohipo anatin'ny Kaominina Alasora, vokatry ny fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ny jiolahy. Araka ny tatitra, nisy fikasana handroba trano iray teny an-toerana. Andian-jiolahy mitam-basy vita tanana no nikasa hanao fandrobana, saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka nisy fifampitifirana. Vokany, jiolahy telo (03) no lavo nandritra izany, ary tafaporitsaka kosa ireo namany. Efa natao ny fanakatonana ireo lalana manodidina ary mitohy ny fikarohana sy fanadihadiana, hoy ny tatitra ofisialy nataon'ny Commissariat de la sécurité publique Alasora-USI (Unité Spéciale d'intervention). Manomboka miverina sy mitombo indray izany ny fanafihana mitam-piadiana eto Antananarivo sy ny manodidina, saingy manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Miankina amin'ny fifanomezan-tanana amin'ny alalan'ny fampitam-baovao haingana sy marim-pototra eo amin'ny sivily sy ny miaramila ihany koa anefa ny fahafahana misoroka ny asa ratsy tahaka izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT