Toerana fanakalozana vola amin’ny alalan’ny finday na “Cash point” iray no notafihin’ny jiolahy mirongo basy teny Anosibe teo ampitan’ny farmasia omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro.
Tsy nisalasala ireo olon-dratsy miisa telo nirongo fiadiana mahery vaika nanafika ka lehilahy 2 no naratra mafy voatifitra ary voatery naiditra hopitaly noho ny tifitra nahazo azy. Miady amin’ny fahafatesana izy ireo, raha ny vaovao farany azo omaly. Nanao tifi-danitra ireo jiolahy, ka ny roa niditra tao anatin’ilay “cash point” ary ny 1 kosa niandry tety ivelany. Niezaka nanohitra ireo roalahy, ka nandritra izany no nitifiran’ilay olon-dratsy azy ireo teo amin’ny tratrany sy ny tendany. Tsy nahatohitra izy ireo noho ny ratra mafy nahazo azy, ka dia lasan’ireo jiolahy avokoa ny vola rehetra. Natahotra avokoa kosa ny olona, ka tsy nisy sahy nikofoka satria sady nandrahona tamin’ny basy ireo olon-dratsy no nilaza hoe: “Malagasy mila vola, izay sahy manatona”. Raha ny fanazavan’ireo olona teny an-toerana moa dia efa fanindroany izay ity toeram-panakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday ity no voatafika. Ora iray taty aoriana kosa vao tonga nijery ny zava-nisy ny polisy, hoy hatrany ireo olona teny an-toerana. Tsy mifidy andro sy alina intsony ny fanafihana mitam-piadiana eto amintsika. Aiza ho aiza ny fampanantenan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier volana vitsivitsy izay hoe: afaka roa volana farafahakeliny dia hahita vokatra azo tsapain-tanana momba ny fisian’ny fandriampahalemana isika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.