NIRAHIN-DRAINY NIVIDY RONGONY

Tovolahy 16 taona naolan’ireo mpivarotra


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Naolan’ireo mpivarotra ny zanany vavy vao 16 taona Raim-pianakaviana

iray mifoka rongony no kamo nivoaka ny trano andro vitsy lasa izay tany Tanambao Verrerie Toamasina ka naniraka ny zanany vavy vao 16 taona monja nandeha nividy izany. Rehefa azon’ilay tovovavy kely anefa ilay rongony tamin’ny fonosana dia naolan’ilay mpivarotra izy. Nitomany ity farany rehefa tonga tany an-trano nitaraina tamin’ilay Rainy. Nilaza ity farany nandritra izany fa hiresaka amin’ilay mpivaro-drongony ka nifandamindamina tany izy roalahy. Ilay zazavavy kely kosa teo an-daniny nanomboka narary. Nisy fofona nivoaka ny fivaviany saingy tsy noraharahian’ilay Rainy.Niezaka nanafina mafy io tranga io ity farany saingy noho ny fanadihadiana lalina nataon’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana dia nivoaka ny marina rehetra .Ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana ny Kaomisera Rakotovao Christian rahateo dia tena hentitra sy sarotiny mafy amin'ny ady atao amin'ny fanolanana… mihantra amin’ireo vehivavy sy ankizy any an-toerana. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny Rain’ilay zazavavy kely sy ilay Rangahy mpivaro-drongony.
Pati
Legende : Potiky ny hagaigen’izy roalahy ireto ny fiainan’ilay zazavavy tsy manan-tsiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT