NIKASA HANAFIKA BANKY IRAY TAO ANALAVORY

Lehilahy miisa 3 no voasambotra, nalefa any am-ponja


  • Zoma 28 Novambra 2025

ao amin'ny CSPD Miarinarivo sy ny

Poste de Police" ao Analavory tao amin'ny Fokontany Ampasamanatongotra, ny 23 Novambra tolakandro Téo ny lehilahy miisa 03, nikononkonona hanafika banky iray tao Analavory. Taorian’ny fitarainana napetraky ny talen’ity banky ity ny 17 Novambra teo dia fantatra fa mpiasa tao ihany ny iray tamin'izy ireo.ka nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fametrahana vela-pandrika. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amina banky iray ao Analavory izy ireo no izao tra-tehaka izao. Niaiky ny fikasanan-dratsiny moa ireto farany ary tratra tamin’ny finday nampiasain’izy ireo ny porofo tamin’izany. Natolotra ny Fampanoavana ny Talata 25 novambra teo izy ireo ary nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy telo lahy.
Pati
Légende : Ireto izy telolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT