Fandriampahalemana

Nihorohoro ny tao Ambohitromby Antamponala Jiolahy 20 nanafika tranom-barotra


  • Alarobia 16 Aogositra 2017

Nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika tany amin’ny Fokontany Ambohitromby Antamponala ny 09 Aogositra lasa teo.

Mpirahalahy iraitampo no indray notafihin’ny dahalo 20 lahy  izay fantatra fa misy Antandroy sy Betsileo.  Samy mpivarotra mpambongady izy roalahy ireo ka ny iray no nisantarany izany asa ratsy izany. Novakiany ny varavarana raha araka ny tatitr’io Raim-pianakaviana io ka lasany tamin’izany ny vola mitentina 1.500.000 Ar. Toraka izany koa ny entam-barotra manodidina ny 7.500.000 Ar . Tsy nionona teo ireo dahalo ireo  fa nanafika ny tsenan’ilay rahalahiny indray taorian’izany ka itsy Raim-pianakaviana voalohany no nalainy an-keriny hamoahana ilay rahalahiny niampy ny kapoka famaky tamin’ny lohany sy ny zanany lahy iray izay tena naratra mafy tokoa. Tsy naharitra ilay rahalahiny nanoloana ny fitolokon’ilay zokiny ka nivoaka ihany koa ary  lasan’ireo dahalo ny vola mitentina 6 tapitrisa Ar  niaraka tamina vidin’entana mitentina 6.300.000 Ar. Mbola novakian’ireo dahalo ihany taorian’izay ny parebrise-n’ilay kamiao nijanona teo an-tokotany,  saika hodorany ihany koa ny traktera. Olona efatra hatreto no efa tratra. Mangataka ny  handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra manoloana ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ity kaominina iray ity ny mponina. Toraka izany koa ny tsy tokony hakana am-bavany sy hanaovana fanadihadiana azy 4 mirahalahy ireto any Miarinarivo fa alefa avy hatrany aty Antananarivo mba ho hitam-poko, hitam-pirenena. Mahatsiaro mangirifiry loatra mantsy izy ireo noho ny fisian’ireo dahalo tratra dia votsotra ka  mamaly faty ny mponina  rehefa tafaverina eny anivon’ny fiaraha-monina indray.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT