Fandriampahalemana

Nifanafika ny Zazamainty sy Zazamena 4 no maty tao Mandoto


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Miseho ny efa nampoizina momba ireny fikambanana milaza ho miady amin’ny dahalo ireny any Vakinankaratra.

Raha ny nitranga tany amin’ny distrikan’i Mandoto dia ady tany no niandohan’ny fifanandrinana, ka niafara tamin’ny fahafatesana olona niisa 4 vokatry ny fifanafihana teo amin’ny “Zazamainty” sy “Zazamena”, tao Antevamena, kaominina Ambary-Mandoto. Raha ny angom-baovao avy tany an-toerana, nisy ampahan-tany kely eo anelanelan’ny tanànan’ny “Zazamainty” sy ny “Zazamena”, ary io no niatombohan’ny olana satria samy nilaza ho tompony avokoa izy ireo. Ireo avy amin’ny Zazamainty no namboly ny tany teo aloha sady efa namboly teo indray koa. Tezitra ny avy amin’ny Zazamena, ka nasain’izy ireo sy novoleny indray ny tany. Nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny Zazamainty tompon’ny voly simba ary nisy ny olona voasambotra, niampy fandrahonana. Nasain’ny zandary ho tonga teny Mandoto ny roa tonta hanohizana ny fanadihadiana saingy tsy nisy nitranga ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny ampitson’io nefa dia naharay antso avy any an-toerana ny mpitandro ny filaminana fa mifanafika ny Zazamainty sy ny Zazamena. Nony tonga ny zandary dia efa faty 4 no novantaniny ka tsy nisy azo natao intsony. Tsara moa ny mampatsiahy fa karazam-pikambanana noforonina hisahana ny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny dahalo ny “Zazamainty” na “Zazamena”, izay samy manana ny olona mpampiofana azy avy. Karazan’ny « Jamà » taloha izy any Vakinankaratra. Nahagaga ity nitranga ity satria izy ireo indray no nifamono. Marihina fa tsy mbola eken’ny tompon’andraiki-panjakana ao vakinankaratra ity rafitra miady amin’ny dahalo ity, ary efa maro no niahiahy ny hitrangan’ny fifandonana toy izao, noho izy ireo samy manana ny mpampiofana azy.

 

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT