NIAMPY 302 IREO "AGENT DE POLICE"

Tsara ny lanonana fa ahoana marina ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ?


  • Talata 03 Septambra 2024

Andro lehibe ho an'ireo "Agents de Police" nivoaka tamin'ny Andiany AINA omaly Alatsinainy 02 septambra.

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin'ny Toby CGP Razafindrazaka Berthin Antanimora, ny lanonana fametrahana ny galona maha "Agent de Police de premier échelon" azy ireo. Miisa 302 mianadahy izy ireo no nahazo izany galona izany ka ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala no nitarika ny lanonana niaraka tamin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy eto anivon'ny Minisitera. Nivoaka ny ENIAP ny taona 2022 izy ireo ary nahafeno ny fepetra hisitrahana izao fisondrotana galona izao. Tena mahafinaritra ny fitomboan’ny isan’ny mpitandro ny filaminana tahaka izao. Tena mahafinaritra ihany koa ilay fihetsiketsehana saingy ahoana marina ny mikasika ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany e ? Tena mampitaraina fatratra ny maro mantsy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana misy eto amintsika raha tsy lazaina intsony ny fakana vola hataon’ny polisy amin’ireo mpampiasa lalana toy ny taxibe sy ny fiara mpitatitra entana.
Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana galona azy ireo . 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT