NANJAVONA TAMIN’NY VOLANA MARTSA

Nalevin’ireo tsy mataho-tody antsokosoko i Mihandry


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Tao Ambohitrimanjaka Soavinandriana no nalevin’ireo tsy mataho-tody i

Miandry na Randriamanantena Miandriharison, ilay tovolahy vao 24 taona monja nanjavona tampoka teny an-dalana raha nikasa hamonjy fodiana tany Soanierana Arivonimamo ny Sabotsy 01 Martsa lasa teo, rehefa avy niasa.Tany amin'ny 30 minitra miala ny toerana farany nahatongavan'ny fiara no nandevena'ireo tsy valahara azy rehefa avy novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nasaina nanondro ilay toerana nandevenany azy ireo mpamono olona ka nanondro fa tao Ambohitrimanjaka, Fokontany Fiantsonana, kaominina Ambonivohitra Soavinandriana no naleviny i Mihandry. Niainga tao Arivonimamo ny fiara tsy mataho-dalana avy amin'ny Depiote Rajerison Antoine sy Dadanaivo izay nitondra ny fianakaviana sy ny mpitandro filaminana, niazo ilay toerana voatondro. Rehefa nadina ny lavaka dia hita tao tokoa ilay tovolahy izay efa simba tsy nisy namantarana azy intsony. Raha araka ny tantara dia moa dia nifampiresaka tamina tovolahy iray Itompokolahy talohan’ny nanjavonany. Nandresy lahatra azy mba hividy vary any Analavory sy Soavinandriana Itasy io tovolahy io nandritra ny fihaonan’izy ireo. Noho ny resaka tsara lahatra anefa dia tsy nihemotra fa roso tokoa izy roalahy niaraka tamin'ilay moto scooter gris sy aro loha fotsy vao avy novidina. Nanomboka teo, tsy re antso, tsy hita popoka intsony i Miandry. Hita tany Ambohitrambo ilay kodiaran-droa taorian’izany raha ilay tovolahy voalaza fa nitondra azy kosa tsy hita popoka fa lasa nandositra. Nipetraka taminy avy hatrany ny ahiahy rehetra noho izany ka tany Antanifotsy Antsirabe no nahatrarana azy izay efa nilasilasy.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’ilay tovolahy kely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT