NANINDRONA ANTSY NY MPAMPIASA AZY

Tovovavy iray nidoboka ao Ambalatavoahangy


  • Talata 09 Aprily 2024

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly Alatsinainy 08 Aprily ao Ambalatavoahangy Toamasina

ilay tovovavy iray vao 19 taona monja nahavita nanindrona antsy ny mpampiasa azy tamin’ny Sabotsy 04 Aprily teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mpanampy an-trano nalaina niasa avy tamin’ny ivon-toerana fakana mpanampy an-trano teto Antananarivo izy io. Vao iray volana izy izao no tonga tao Tanambao Toamasina mba hiasa ny tenany. Efa nanana drafitra maty paika ny an’ ity tovovavy iray ity raha ny fantatra. Saika hamono ilay mpampiasa azy mihitsy mantsy ny tenany rehefa nohadihadiana mba hahafahany maka ireo entana sarobidy tao amin’ilay tokantrano. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly moa ilay mpampiasa hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao.
Pati
Legende : Any am-ponja sahady ity tovovavy ity no hanohy ny tantaram-piainany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT