Nanenjika zazavavy kely teny amoron-drano

Nidin’ireo Antandroy tao amin’ny biraom-pokontany


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Saika zava-doza no nitranga tany Ambohimandroso, Fokontany Amparihilava, kaominina ambanivohitra Tamponala ny faran’ny herinandro teo.

Tovolahy miisa roa izay samy vao 21 taona monja no tratra nanenjika zazavavy kely roa teny amoron-dranon’i Sakay. Mbola tena kely tokoa ireto farany. Nosamborin'ny tafiky ny DSS12 izy roalahy noho izany. Nanohitra mafy anefa izy ireo ka tafatsoaka ny iray saingy voasambotra ihany ity farany rehefa nampiasana basy. Notazomina tao amin'ny biraom-pokontanin’Ambohimandroso mba hiandry ny zandary haka azy izy roalahy noho izany.Tonga tampoka anefa ny fianakavian'ireo zazavavy kely izay foko Antandroy nandritra izany ary nitaky ny hanolorana ireo tovolahy voasambotra ho azy ireo. Nitaky onitra 2 tapitrisa Ar sy ondry iray ihany koa izy ireo. Na dia tonga aza ireo zandary avy ao Ambatoasana izay nanazava ny lalàna velona nandritra izany dia tsy nomen'izy ireo izy roalahy raha tsy azony ny vola sy ondry ka nohidian'izy ireo ny biraom-pokontany. Niezaka ny namana ny olana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany nandritra izany ka tamin’ny 02 ora maraina vao votsotra teo am-pelatanan'ny foko Antandroy izy roalahy ka nentina namonjy ny biraon'ny zandarimaria ao Ambatoasana ary nentina any Miarinarivo avy hatrany. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny mikasika ny antony nanenjehan’izy roalahy ireto ireo zazavavy kely roa moa ny zandary hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Avy any amin'ny kaominina Fidirana, ny iray amin’izy roalahy raha avy any amin’ny kaominina Mahasolo ilay iray farany. Pati
Legende : Nandritra ny fakana azy roalahy nataon’ny mpitandro ny filaminana nisorohana ny fitsaram-bahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT