Fandriampahalemana

Nanelingelina ny fiarahan’izy roa Notapahin-doha , avy eo notetitetehina ilay rangahy


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Ny 09 desambra lasa teo no nahitana razana efa simba tanteraka, voatetitetika hitan'ny fokonolona tao Bemasoandro Kaominina Antsapandrano distrika Antanifotsy.

 Nanokatra fanadihadiana ny zandary notarihin'ny GPHC Fenitriniaina Ramarijaona, komandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Antanifotsy. Fantatra fa lehilahy iray antsoina hoe Rakotonarivo Armand, 32 taona ity nisy namono. Teo foana ny vehivavy tompom-bady maty, mody tsy nahalala ny antony tsy nahitana am-badiny nandritry ny herinandro, ary rehefa hita faty dia tsy mody tsy nahalala ny antony namonoan'olona azy, hoy ny Mpitandro ny filaminana. Nampiasa ny fahaizany manangona vaovao sy manaramaso ny fihetsiny hisokirana ny marina anefa ny zandary ka fantatra fa ravehivavy vadiny ihany (Herilala 26 taona) sy ny sipany (Besa 29 taona) no niaraka namono ity lehilahy ity, hoy hatrany ny zandarimaria eo anivon’ny Borigady Antanifotsy. Ny 02 desambra, herinandro talohan'ny nahitana ny razana no namonoany azy. Efa namitsaka tao an-trano nandritra ny alina ity sakaizany ka nokapainy kalaza ny tendany tamin'ny 02 maraina, ary rehefa maty dia notetitetehin'izy ireo ary nariana tany an'ala. Mampijaly an-dravehivavy, hono, ratompokolahy sady manelingelina ny fiarahan'izy roa no antony namonoany azy. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Hatolotra ny fitsarana ao Ambatolampy moa izy ireo mba hotsaraina amin'ny heloka vitany, araka ny tatitra nataon’ny zandarimaria.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT