Nanatsatoka antsy ny olon-tiany

Voasambotra ihany i Johary


  • Talata 27 Mey 2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Chantal Bianca ny anaolahy ny 13 Aprily lasa teo tany Toamasina. Notsatohany ny antsy in-telo io tovovavy io saingy tsy maty fa mbola mitsabo tena kosa. Namoahan'ny Polisim-pirenena filazana fikarohana izy ka taorian’izany ka nandeha ny fikarohana. Fantatra fa misitri-belona ao amin'ny faritra iadidian'ny Zandarimaria Ampitatafika ny anaolahy ka natao izay fomba nahafantarana ny toerana misy azy. Ny Zoma 23 May lasa teo izy no tratra tao amin’ny trano niafenany tao Ambohijafikely Fokontany Atsimombohitra, kaominina ambanivohitr’ Ampitatafika.Tonga naka azy tao amin'ny biraon'ny zandarimaria Ampitatafika ny Polisim-pirenena Toamasina ary ho tsaraina vokatry ny heloka vitany izy aorian'ny famotorana hatao azy any an-toerana.
Pati
Legende : Tovolahy tsotra jerena ivelany fa mahavita mamono olona i Johary !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT