Fandriampahalemana

Nanafika Pastera Tovolahy 19 taona matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Tovolahy vao erotrerony no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsampanimahazo-Antsoantany, distrikan’Antsirabe faharoa ny alin’ny alahady 3 septambra teo.

Nikasa hamaky tranona pastera izy no tratra ka nanefa hatramin’ny ainy. Raha ny fanazavan’ny filoham-pokontany, Atoa Radimison Raymond dia telolahy izy ireo no tafiditra ka ndeha handroba tao an-tranon’ilay pasitera tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Tsy nanaiky ilay pastera fa nanohitra avy hatrany ka voabedany ity tovolahy 19 taona sady niantso vonjeo avy hatrany izy. Nanohitra ihany ireo namany ka nahatsindrona antsy an’ilay pasitera sy ny zanany vavy, saingy tonga ny fokonolona dia ireo indray no nidaroka ilay tovolahy satria nitsoaka ireo namany roalahy. Mbola nahavita nanonona ny anaran’ireo namany ilay tovolahy, ary taorian’izay no namonoan’ny olona azy ho faty. Omaly maraina dia nosamborin’ny fokonolona ireo olona roa. Saika nafenin’ny ray aman-dreniny i Nirina, izay fantatra fa vao avy nivoaka ny fonja vao roa volana izay noho ny fanolanana zazavavy kely tao Antsoantany ihany. Natolotra ny fianakaviany ny razana. Izy roalahy sy ny ray aman-dreniny kosa notanan’ny zandary tany Ambohibary. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay pastora sy ny zanany vavy. Mponina ao Antsoantany avokoa izy 3 lahy tonga nanafika tany Antsapanimahazo ireto, izay mielanelana 7 km miala ny misy azy.

 Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT