Fandriampahalemana

Nampitandrina ny SEG Misy mpanao politika manarama jiolahy ?


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Miakatra ny tsy fandriampahalemana. Misy resaka hafahafa ihany ilay izy, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard ny sabotsy teo.

 

 

 

 Maninona no ohatr’izao tamin’ny faramparan’ny volana janoary sy febroary nahalany ny Filoha Rajoelina dia miakatra indray amin’izao akaiky fifidianana loholona izao? hoy izy. Nambarany fa vao niakatra ny Filoha Rajoelina dia tahaka izao, ary teny Mahitsy aza dia nisy jiolahy nilaza hoe ianareo no te hifidy an’io. Nisy jiolahy nilaza fa nirahin’ny Filoha Rajoelina haka ny anjarany,… Izao misy manohitra fa tsy ilaina ny fifidianana loholona, manao zavatra ny fitondrana dia lazaina fa tsy manao na inona na inona, hoy izy, izay toa maneho fa zavatra iniana volena io. Ny teny Ambohimangakely, dia “inspécteur des impôts” misotro ronono dia naolana mihitsy ny zanany mba hilazana fa tsy mandry fahalemana mihitsy Antananarivo sy ny manodidina, ka izay no hafatra heverina fa ao ambadika, raha ny fanehoan-kevitr’io manamboninahitra io. Antananarivo sy ny manodidina sy Ambatondrazaka no tena misy tsy fandriampahalemana, hoy izy. “Aleo manao asa ara-dalàna amin’izay manomboka izao, miaina madio fa mety ny ainareo no manefa eo satria ny fitaovana eo am-pelantananay efa be dia be, izahay efa mandray fepetra miara-misalahy ny EMM0. Ho sahirana eo ireo manao asan-jiolahy, ka aleo mijanona na an-tsitrapo no hanaovan’izy ireo an’izany na voakarama”, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Ny mpanohitra no tsy mankasitraka fifidianana ka ireo ve no tondroina ho fositra? Inona no tsy hisamborana izay mety ho mpanao politika ambara fa mety mamboly korontana na manarama jiolahy raha tena mitombona io petra-kevitry ny SEG io ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

Hijery ny tohiny
FTT