Nampitandrina ny FDS

"Misy nampiditra fitaovam-piadiana


  • Talata 16 Desambra 2025

mahery vaika, anisany Ravatomanga !"

Namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana ahitana ny Lehiben'ireo Vondon-kery telo misy eto amin'ny tany sy ny Firenena dia ny Tafika, polisim-pirenena, ary ny zandarimariam-pirenena na ny FDS Vondon-kery fiarovana sy ny filaminana manoloana ny toe-draharaha eto amin'ny Firenena. Anisan'ny miteraka adihevitra ny fisavana ataon'ny mpitandro filaminana ka tafiditra ao anatin'ny hanaovana izany ny toeram-ponena'ireo olona ambony teo aloha, izay nambara fa misy raharaha fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika sy fikasana hanakorontana. "Fantatra fa misy mampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasikara, ka anisan'izany Atoa Mamy Ravatomanga", hoy ny FDS. Nisy noho izany ny fahefana nomen'ny lalàna ny FDS ny misava ny trano izay ahiahiana ho nitobian'izany fitaovam-piadiana mahery vaika izany, hoy ny Jeneraly Pikulas Démosthène Lehiben'ny Etamazaoron'ny tafika Malagasy. Mbola hitohy ny fisavana ny tranon’i Mamy Ravatomanga… Raha tsiahivina, isan'ny niteraka ahiahy goavana ny nananganan'io mpandraharaha matanjaka io ilay ivon-toerana antsoina hoe : MSA (Madagascar Security Academy) izay nanofana olona amin'ny lafiny fiarovana, saingy nisy fampiasana fitaovam-piadiana, izay lasa nanome endrika azy ho "para-militaire" na endrika milisy mitam-piadiana satria ny mpitandro ny filaminana ihany no manana alalana ny amin'izany, saingy lasa nanana endrika milahatra na mifaninana amin'ny tafika. Nifandraika tamin’io ny famakafakan’i Olivier Vallée, politologue sy économiste frantsay isan’ny nandinika an’i Madagasikara tamin’ny RFI ny 01 oktobra 2025 mikasika ny toe-draharaha eto Madagasikara. Izy io izay nanoratra ny boky mitondra ny lohateny hoe : “La société militaire à Madagascar” navoakan’ny Karthala, izay mandinika lalina ny fifandraisan’ny fahefana sy ny hery miaramila eto amin’ny Nosy. "Samy manana ny milisiny i Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina », hoy i Olivier Vallée. «…. Manana milisy izay saika mitovy hery amin’ny polisin’Antananarivo. Ireo milisiny dia tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona maromaro. Tokony hanameloka izany milisy izany ny filoha, ary koa ilay Akademia momba ny fiarovana izay tantanan’ny Frantsay iray, noforonin’i Mamy Ravatomanga, dia ahafahany mitazona ireo milisy manokana. Mpamatsy vola amin’ny fampielezan-kevitr’i Andry Rajoelina izy tamin’izany,… Saingy niseho tamin’ny alalan’ny herisetran’ny milisiny nanoloana ireo mpanao fihetsiketsehana,… Ary ny filoha dia manana ny milisiny manokana ihany koa. », hoy hatrany i Olivier Vallée tamin’izany. Dia io voasaringotra amin’ny raharaha iraisam-pirenena mikasika ny aferana boeing 777 nahatezitra ny Amerikanina io ity mpandraharaha Malagasy ity. I Andry Rajoelina moa raha tsiahivina, dia niteraka resabe ny raharaha fampidirany fitaovam-piadiana nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018, ka tsy dia mahagaga ny fisiana ahiahy goavana manodidina azy ireo.
MAMPITANDRINA AN’IREO MIKASA HANAKORONTANA
Andaniny , milaza ny FDS fa raha misy olona na vondron'olona tsy ankanavaka na olom-boafidy na olom-boatendry na sivily na miaramila, ka mikasa hanakorontana ny Filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana dia handray ny andraikiny araka ny lalàna avy hatrany izy ireo. Eo anatrehan'ny fiatrehan'ny Malagasy ny akatoky ny noely sy ny fety, naneho fa manana ny tetika rehetra hampanjakana ny filaminana sy ny fahalemana ny FDS hahafahan'ny rehetra manao krismasy sambatra sy hitsena ny taom-baovao am-pifaliana. Hisy ny fifanomezan-tanana amin'ny vahoaka eny ifotony hametrahana fandriampahalemana maharitra, ary nirary soa sahady ny vahoaka Malagasy tratry ny fety.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

  • Toamasina
  • Talata 14 Aprily 2026

Mpamily tuc tuc nanendaka, voasambotra

  • Halatra tariby
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Mpiasan'ny Jirama roa nidoboka am-ponja

Hijery ny tohiny
FTT