Fandriampahalemana

Nampangaina ho mpangalatr’olona 3 lahy matin'ny fitsarambahoaka tao Fianarantsoa


  • Talata 30 Mey 2023

Olona miisa 3 indray no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Lalazana Fianarantsoa ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Raha araka ny vaovao azo dia miisa 4

izy ireo no tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izay efa malaza ratsy ho fitondrana olona halatra hatrany. Nampangain’ny fokonolona ho mpangalatr'olona izy ireo vokatr’izany rehefa nandalo ka niharan'ny fitsaram-bahoaka. Nosakanan'iretsy voalohany ilay fiara nitondra azy ireo. Rehefa nijanona ilay mpamily dia tsy nananan’izy ireo hantra fa novonoiny izy efa-dahy ka mbola maratra mafy tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Tambohobe ny iray. Nambaran’ilay iray hany sisa velona ary fa resaka vato no anton-dian'izy ireo tany amin’io tanàna io fa tsy misy resaka halatr’olona velively. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana noho izany. Tafiditra ao anatin’izany ny atidoha niketrika ity fitsaram-bahoaka ity sy ny niavian’ilay tsaho. Tsy latsa-danja amin’izany ny tena anton-dian’izy efa-dahy ireto tany an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT