Nampanantenaina hiasa amin’ny Madagascar Airlines

Olona maro voasoloky 1.110.000 Ar isanisany


  • Zoma 14 Jona 2024

Mafy ny mitady asa amin’izao, antony mahatonga ny olona sasany ho voasoloky tsy fidiny.

Lehilahy iray monina eny Atsimondrano eny no milaza fa mahavita mampiditra mpiasa ao amin'ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines izay zavatra tsy misy akory. Mandray mpiasa, hono, io kaompania io ka vola 480.000 Ar isan'olona ny saran'ny fandraisana antontan-taratasy mialoha. Naheno izany ireo olona sahirana mitady asa dia namorona ny tsy misy fa mba te-hiasa amin'ny fiaramanidina.Vao azon’ilay lehilahy anefa ny vola dia sady tsy hita intsony izy no tsy tratra antso. Nifindra trano ihany koa hoy ny vaovao. Olona iray no nitory azy voalohany ka fantatra fa "puces" maromaro no hampiasain'izy sy ny vadiny hanaovany izany asa ratsy izany. Hita tamin'ny alalan'ny fanomezam-baovao avy amin'olona tsara sitrapo ihany koa ny trano nifindrany monina. Avy any Ankadilalampotsy Kaominina Ankaraobato no nifindra ao Marohoho Kaominina Ankaditoho izy ireo.Vantany voasambotra izy ireo dia tonga koa ny olona telo hafa voasoloky nanao fitoriana. Nitory azy koa ny Kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines satria nanatona tany koa ireo voasoloky. Fantatra fa nitaky volabe hafa koa ity mpisoloky ity ho an'izay olona maniry hahazo toerana ambonimbony.Tafakatra 1.110.000 Ar isan'olona ny azony tamin'izany. Nanomboka ny 24 Aprily izy mivady no nanao fangalapiery ka ny 08 Jona no sarona tao amin’ilay tranony vaovao.Natolotra ny fitsarana izy roa ka notanana amponja vonjimaika ny lehilahy raha arahi-maso kosa ny vadiny miandry ny fotoam-pitsarana.
Pati Legende : Ilay lehilahy naiditra am-ponja vonjimaika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT