Fandriampahalemana

Namontana Tovolahy mamon-drongony nanindrona antsy olona 8


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Mitarika ny olona iray hanaotao foana ny fandraisana sy ny fidorohana zava-mahadomelina.

Anisan’ireny ny fanolanana izay mihatra aman’aina mihitsy ho an’ny sasany toy ny zazalahy kely sy ny vehivavy bevohoka, ny zazavavy kely sy ireo olona efa nahazo taona…. Tsy mijanona eo anefa izany fa misy mahavita mamono sy mandratra olona mihitsy ny sasany toy ny zava-niseho teny Namontana omaly. Tovolahy iray voalaza fa mamondron-gony no nanindrona antsy olona ka miisa 8 ireo lasibatra tamin’izany. Voatsindrona antsy teo amin’ny kibony ny sasany, ny sasany tamin’ny lohany sy ny tanany ….Voatery nentina namonjy hopitaly moa ireto farany raha nezahina nosamborina kosa io tovolahy io. Noho ilay fitaovana maranitra teny an-tanany sy ny tanjany anefa dia somary nanano sarotra ihany ny nanatanteraka izany ka niantsoana tompon’andraikitra mihitsy. Tokony hitandrina ny rehetra manoloana ny tranga tahaka itony. Tsy fantatra intsony mantsy ireo karazan’olona mety hifanena eny an-dalana ka aleo malina hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT