NAMONTANA

Tovolahy iray niditra an-tranon’olona andro atoandro


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Tena miharatsy isan’andro ny fandriampahalemana eto amintsika. Tsy misy izay tsy mitaraina izany ny isan-tokantrano.

Vao tamin’ny Sabotsy 23 Septambra maraina teo ohatra dia tovolahy iray 23 taona no fantatra fa niditra an-tranon’olona an-keriny tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany maraina. Ny tompon-trano ihany no nahatsikaritra azy io izay efa saika haka ilay finday tao an-trano. Avy hatrany dia nosamborin’iretsy voalohany ity jiolahy ka tsy navelany nitsaoka instony. Niantso haingana ireo Polisy manao fisafoana teny amin'ny manodidina ny tompon-trano taorian’izany dia noetin'iretsy voalohany namonjy ny biraony ity jiolahy ity. Anio Alatsinainy 25 Septambra no fantatra fa hiakatra fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy niditra an-keriny tamin’ny andro atoandro tao an-tranon’olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT