Fandriampahalemana

Namontana Novelesin’ny mpanendaka ilay mpitondra moto


  • Alatsinainy 29 Novambra 2021

Miseho amin’ny endriny maro lahy ny asa ratsin’ireo mpanendaka sy mpamono olona amin’izao. Mpitondra moto iray tratra alina no voalaza fa novelesin’ireo mpanendaka avy any aoriana ny herinandro lasa teo teny Namontana.

 Naratra mafy vokatr’izany io mpitondra moto io raha araka ny fantatra niaraka tamin’ilay olona iray nentiny. Lasan’ireo mpanao ratsy ihany koa ilay moto. Ankoatra izay eny amin’iny faritra iny ihany dia mikaikaika fatratra ireo mponina eny Ambohibarikely Anosibe. Vao amin’ny 06 ora hariva mantsy dia efa tsy azo handehanana intsony iny faritra iny noho ny hafitsok’ireo mpanendaka izay miaraka amin’ny antsy lava lela ny ankamaroany. Manatona avy hatrany izy ireny mandrahona ilay olona sendra azy amin’ny antsy ary tsy manaiky raha tsy mahazo izay tadiaviny. Eo amin’ilay tetezam-bato na beton moa no voalaza fa tena toerana hipotran’ireo mpanendaka. Manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky izany fijalian’izy ireo izany. Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT