Fandriampahalemana

Namontana Lehilahy iray maty voatsatok’antsy


  • Zoma 12 Jona 2020

Nandriaka ny rà teny amin’ny faritra Namontana omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora teo.

 

 

 

 

 Raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta no maty voatsatok’antsy teo akaikin'ny CSBII Namontana ka teo amin’ny tratrany mihitsy ilay antsy no nitsatoka. Handeha haka entana maraina eny Namontana ity lehilahy ity no izao nisy namono nahafaty izao. Nahitana ratra vokatr’izany ny lohany sy ny tratra. Mbola tavela, nitsatoka teo amin’ny tratrany rahateo ny antsy namonoana azy tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Tonga teny an-toerana nanadihady sy nijery ny zava-misy moa ny mpitandro ny filaminana raha efa nifampitadiavana kosa ireo fianakaviany. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nisy fanendahana niaro vono olona tahaka izao teo akaikin’ny CSB II Namontana. Noho ny tsy fisian’ny jiro no mahatonga izany koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny Fitondram-panjakana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT