Namontana

Karana iray nisy nitifitra, lasa ny kitapo feno vola…


  • Talata 05 Desambra 2023

Nirefotra ny basy omaly 4 desambra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina tetsy Namontana,

ao anatin’ny Boriborintany fahaefatra eto Antananarivo Renivohitra. Vehivavy iray teratany karana teny ambony moto no nisy nitifitra an-kitsirano, ka voa teo amin’ny lohany, nitsikasina tamin’ny tany avy hatrany, ka nifamonjena nentina any amin’ny hopitaly. Jiolahy miisa efatra nitondra basy PA na « Pistolet Automatique » no nanao ny fanafihana raha ny fanamarihana vonjimaika. Voalaza fa nikasa handeha hanatitra vola izy io no izao lasibatry ny jiolahy izao, ka lasa ny kitapo teny aminy. Manao ranolava ny asan-jiolahy, ary miharihary fa tsy milamina ny tany na an-drenivohitra na ambanivohitra. Tena mateti-pitranga io ao anatin’izao vanim-potoana izao, indrindra fa akaiky fety. Betsaka no mitondra fanamarihana avy hatrany hoe : tsy arakaraka ny fampisehoan-kery rehefa miatrika fihetsiketsehana politika ny fepetra raisina ho fiarovana amin’ny asan-jiolahy, fa dia tena mandry tsy lavo loha ny Malagasy. Raha ny tatitry ny fanadihadian’ny UNICEF momba ny tsy fandriampahalemana, dia ny 63% amin’ny tanora no maneho fa noho ny fahantrana, 55,8% kosa no maneho fa noho ny tsy fisian’ny asa mampidi-bola, raha toa ka ny 26% kosa no milaza fa noho ny fihinanana ireo zava-mahadomelina. Mila jerena ireny any amin’ny politikam-pitantanana mba tsy ho diso kajy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT