Fandriampahalemana

Nambara fa nangalatra mangahazo Hita faty tany anaty bozaka ilay tovolahy


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Resaka halatra mangahazo no namonoan’ny sasany olona tany Ambodinonoka Fokontany Anjanavorona Kaominina Mahatsara Sud, distrikan'i Farafangana.

Hita ny Alatsinainy maraina teo tao anaty bozaka tany amin’ity toerana voalaza etsy ambony ity ny vatana mangatsiakana tovolahy iray izay fantatra fa nangalatra mangahazon’olona ary efa simba tanteraka. Nisy ny fiantsoana nataon’ny sefom-pokontany ka tonga nijery ny razana ny mpitandro ny filaminana sy ny zandary any an-toerana. Fantatra nandritra ny fizahana natao fa novonoina ity tovolahy ity. Ny famotorana nataon'ny Borigadin'ny zandarimariam-pirenena ihany koa nahafantarana fa nangalatra mangahazo ny tovolahy ka ilay tompon'ny mangahazo ihany no namono azy. Mianaka izy ireo no indray nanao izay famonoana olona izany ary samy niaiky ny heloka vitany. Nanazava moa ireto farany fa tapitr'io tovolahy io avokoa ny mangahazon'izy ireo izay tsy nihinanany na iray fototra aza. Nentina teo anivon'ny Zandarimaria Mananjary moa ny raharaha, ka efa nilamina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT