Nahiana ho nanadala vadin’olona

Sinoa iray maty voakapa famaky


  • Zoma 26 Aprily 2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

ny amina fisiana zavatra maimbo anaty gony teny an-tanimbary eny Ambotomanana, fokontany Ivoara, Kaominina Masindray, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ahiana ho fatin'olona, hoy ny fanazavana. Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka tamin'ny mpitsabo lehiben'ny CSB 2 Masindray mba hanao ny fizahana. Lehilahy iray teratany sinoa 52 taona no hita faty, nofonosina gony ary nalentika tao anaty tanimbary. Fantatry ny olona teny amin'ny manodidina avy hatrany moa satria olona mipetraka eny Antanambao, fokontany Ivoara, Kaominina Masindray. Nosokafana ny fanadihadiana, nisy ny olona noahiahiana dia tsy iza fa ireo olona niasa tao amin'ity teratany sinoa maty ity ihany. Omaly 25 aprily 2024, niaiky ilay lehilahy mpiasa nanao fiambenana tao amin'ity sinoa ity fa izy no namono nahafaty sy nanafina izany faty izany teny an-tanimbary ny alin'ny 14 aprily 2024. Ny antony namonoany an'ilay sinoa dia noho ity farany nanadaladala ny vadiny ka nokapohiny tamin'ny famaky noho izany no lohany. Nahafantatra ny famonoana izay nataom-badiny ilay ramatoa ka noho izany dia noraisina ho isan'ny mpiray tsikombakomba satria tsy nilaza tamin'ny manam-pahefana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly. Maty voakapa famaky, araka izany, ilay sinoa voalaza ho nanadaladala ny vadin’ny mpiambina azy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT