Fandriampahalemana

Nahazo fanalefahan-tsazy Ny nivoahany fonja no ela dia nangalatra indray


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Tokony hisy fijerena manokana ny mikasika ireny olona vao avy nivoaka ny fonja ireny. Sady tsy manam-piahy mantsy izy ireny rehefa tonga eny anivon’ny

 

 fiaraha-monina no mety tsy hanan-kavana intsony ihany koa antony manosika azy hanaotao foana. Ho an’I Jules izao, lehilahy iray vao avy nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy dia nobataina indray ny bisikiletan’olona tao an-tsenan’ Antsahalava, 2 andro monja taorian’ny niverenany teny anivon’ny fiaraha-monina. Nahazo fanalefahan-tsazy ny 26 jona teo ity lehilahy raha araka ny fantatra ka nivoaka aloha raha tokony hamita ny saziny. Nampidirina am-ponja ao Ambatolampy indray araka izany ny tenany rehefa avy natolotra ny fitsarana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT