Fandriampahalemana

Mponin’i Tsimazava, Faritra Menabe « Vonjeo fa ripaky ny dahalo ny ombinay »


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Velon-taraina sy miantso vonjy eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana ny mponina any amin’ny Kaominina Tsimazava Distrika Mahabo Faritra Menabe.

Any atsimon’i Malaimbady moa no misy io kaominina io. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Notafihin’ny dahalo ny tanàna ny sabotsy 24 jona lasa teo, ka lasa ny omby am-polony maro. Misy ihany ny borigadin’ny zandary, saingy tsy misy afatsy zandary miisa 3 ka tsy afa-nihetsika, raha toa ka manodidina ny 40 ireo dahalo izay nirongo fiadiana, hoy ny fanamarihana. Miantso vonjy sy manaitra ny Fanjakana moa ireo mponina any an-toerana noho ny fijalian’izy ireo eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana. Tsy any ihany, fa saika manerana ny Nosy no mikolay. Vao tsy ela ilay fanafihan-dahalo nahery vaika tany amin’ny distrikan’i Mandoto, izay ny dahalo mihitsy no mihantsy fa tsy ampy azy ireo ny mpitandro filaminana, fa ampio. Rehefa hetsika politika, henjana ny fandrangarangana hery sy ny daroka lakrimozenina, fa rehefa tsy fandriampahalemana any ambanivohitra, andihizan’ny malaso ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana izay matetika tsy ampy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT