Fandriampahalemana

Mponin’Ambanidia Tonga hatreny Ankadindratombo mivarotra rongony


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Lehilahy iray 24 taona voalaza fa monina eny Ambanidia eny no saron’ny kaomisarian’Alasara nivaro-drongony teny akaikin’ny abatoara Ankadindratombo ny faran’ny herinandro teo.

Raha araka ny fantatra dia efa tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana misahana iny faritra iny ny fisian’olona izay voalaza fa mamatsy rongony iny toerana iny. Nandray andraikitra avy hatrany izy ireo tamin’ny fanaraha-maso ka ilay ranamana ity no tratra. Mbola sarona teny aminy avokoa ireo fonosan-drongony miisa 15 nataony tao anaty sakaosy kely izay nokasainy hamidy. Niaiky ity tovolahy ity fa tena mpamatsy rongony tokoa ary io no tena asa fivelomany. Hatolotra ny fampanoavana anio alatsinainy ny anaolahy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT