Fandriampahalemana

Mponina eny Antetezana afovoany “Tsy mpangalatra ilay tovolahy 22 taona notifirin’ny polisy”


  • Talata 23 Novambra 2021

Niantso mpanao gazety omaly ireo olona monina eny amin’iny faritra Antetezana afovoany 67 ha iny, toerana nitrangan’ilay fitifirana tovolahy 22 taona niseho ny Alakamisy lasa teo.

Nambaran’izy ireo fa tsy jiolahy nenjehina avy any amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe izany io tovolahy io fa olona teo an-tanana ihany. Nanao fanamiana sivily ny iray tamin’ireo polisy hoy izy ireo raha nolazainy fa nanao fanamian’ny orinasa hafa ireo olona ambiny. Mbola nitaraina ihany koa ireo mponina fa nasaina nikaton-trano avokoa izy ireo nandritra ny fotoana nitifiran’ny polisy ity tovolahy ity tsy nisy nahazo nivoaka. Tifi-danitra no niandohan’izany hoy izy ireo izay vao bala nihatra tamin’ilay tovolahy izay nanafaka ny ainy mihitsy. Hetahetan’ireo mponina araka izany ny hanokafana fanadihadiana mikasika ity tovolahy voatifitra ity izay nomarihiny manokana fa tsy ilay mpangalatra nenjehin’ny polisy avy any amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT