Fandriampahalemana

Mpivarotra rongony Olona efa nifonja ny ankamaroany


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Tratra ny lehilahy iray 40 taona mpivarotra sy mpifoka rongony hikoizana eny amin’iny faritra Ivato ity.

Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana ka nahafantarana fa efa nifonja ity lehilahy ity. Resaka fivarotan-drongony ihany no nahavoa azy tamin’izany. Rehefa nosavaina tao aminy dia mbola nahatratrana rongony 14 fonosana indray. Toraka izany koa ny lehilahy iray 35 taona izay tratra teny Ivanja Ambohitsoa teny. Fonosan-drongony milanja 26,200 grama no tratra teny aminy izay haparitany amin’ireo faritra lalovany ihany koa. Araka ny voalazan'izy ireo dia misy mamatsy rongony isan-kerinandro ao an-tranony izy ireo. Vidina 60.000 Ar ny lehibe iray ary tsinjarainy anaty fonosana avy eo. Mahavita fonosana 40 eo ho eo izany ary hamidin'izy ireo 2.000 Ar ny fonosana iray. Natolotra ny fampanoavana omaly moa izy roalahy ireto ary naiditra am-ponja vonjimaika indray.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpamatsy rongony sy ireo rongony hamidiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT