Fandriampahalemana

Mpivarotra omby halatra In-droa saika hanao kolikoly tamin’ny zandary


  • Zoma 10 Jolay 2020

Mpivarotra omby halatra miisa roa no tra-tehaky ny Zandarimaria nitondra sy nivarotra omby tsy misy taratasy tany Antandrokomby Anosibe an’ala ny andron'ny 04 jolay 2020.

  Raha ny angom-baovao voaray dia efa fomba ratsy fanaon'izy ireo izany ka isan-kerinandro dia omby halatra am-polony avy any amin'ny kaominin’ Antandrokomby sy Ambalomby, distrikan’ Anosibe an’ala, no entin'izy ireo hamidy any Andramasina, faritra Analamanga, sy Antanifotsy, faritra Vakinakaratra, ary tsy mandalo ny sampandraharaha manara-maso ny taratasin'omby. Rehefa natao ny famotorana savaranonando dia niaiky ny heloka vitany izy ireo. Taorian'izany dia nanolotra vola ho an'ireo Zandary mpanao famotorana izy ireo ho tambin'ny famotsorana saingy nandà izany ireo zandary, raha ny fanazavana. Nitohy ny famotorana ka ny 08 jolay 2020 dia tratra ihany koa ireo naman'izy ireo hafa izay efa nivarotra ny omby tany amin'ny tsenan’omby Alatsinainy Bakaro Andramasina. Rehefa tonga tao amin'ny biraon'ny Toby zandarimaria Anosibe an’ala ireo olona roa hafa dia mbola niezaka nanolotra vola 500.000 ariary ihany koa ho tambin'ny famotsorana sy handravonana ny raharaha. Nandray andraikitra avy hatrany ny Manamboninahitra komandin'ny fandrindràna (OFFCOORD) ny Zandarimaria ao Anosibe an’ala, ka niantso ny Lefitry ny Ben'ny tanàna sy ny Filohan'ny fokontany Anosibe an’ala hatao vavolombelona, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT