Fandriampahalemana

Mpivarotra heroine Ny nivoahana ny fonja no ela dia tratra indray


  • Zoma 23 Jona 2023

Roalahy 22 sy 21 taona, no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina tetsy Anosy ny 20 Jona lasa teo teny amin'ny faritra "Ampandrana Est " rehefa nifoka sy nivarotra héroïne.

Mitohy hatrany ny asa ataon'ny sampan-draharaha miady amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny polisim-pirenena manoloana ny fiparitahan'ireny zava-mahadomelina ireny. Araka izany dia nahazo vaovao marim-pototra avy amin'ny olon-tsara sitrapo ny teo anivon'ny STUP, manambara fa misy olona mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eny amin'ny faritra Ampandrana iny. Niroso nanao ny fidinana ifotony ny polisy tao anatin'izany nanao ny fanamarinana sy ny vela-pandrika rehetra. Nandritra izany no nahatrarana azy roalahy ireto. Rehefa natao ny fisavana ity lehilahy ity dia nahita "héroïne" milanja 10 grama teny aminy, araka ny fanadihadiana natao taminy dia sady mifoka izy no mivarotra ary alainy 250.000 Ar io 10 g io ka hamidiny 300.000 Ar izany. Tsy nijanona hatreo anefa ny fisavana natao fa noentina niditra tany amin'ny tranony ity lehilahy ity, ka teo ihany koa no nahatrarana lehilahy iray 21 taona izay nahitana fonosana héroïne 28,5 grama sy fitaovana fifohana zava-mahadomelina. Efa nigadra momba ny resaka fivarotana héroïne ity farany tamin’ny taona 2014 ary vao nivaokan'ny fonja ihany ny 15 Jona teo noho ny resaka fivarotana zava-mahadomelina ihany. Marihina moa fa mpivarotra ambogadiny izy roalahy ireto ary tsy mandefa afa-tsy 10g no ambany indrindra amin'ny héroïne hamidiny . Niakatra fampanoavana omaly izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy miaraka amin’ireo heroine namidiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT