MPIVARO-TENA SY NY MPANENDAKA

Ireo vehivavy manadala, ny lehilahy mandroba izay azony


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Efa miara-miasa koa amin’izao ny mpivaro-tena sy ny mpanendaka mba hahazoan’izy

ireo vola sy entana mody rehefa maraina. Fito mianadahy be izao no indray noraofin’ny zandarimariam-pirenena sy ny andrimasom-pokonolona mpanao fisafoana amin’ny alina, andro vitsy izay. Raha araka ny fantatra dia mpivaro-tena ireo vehivavy 4 raha mpanendaka ireo lehilahy 3 ambiny. Manana fomba fiasa efa tena maty paika mihitsy izy ireo. Mody mampiresaka izay lehilahy mifanehitra aminy amin’ny alina ireo vehivavy ary sakorohany tampoka rehefa tena revo no sady ilany vanona. Miditra moramora ireo mpanendaka rehefa mody mampiaka-peo ireo vehivavy mpivaro-tena namany ka mody miaro ireto farany no sady manontany hoe : hataon’ialahy inona ny sipanay ?Vonoin'izy ireo sy endahiny amin'izay izay lehilahy azony ka mahita faisana avokoa ny vola sy ny finday ary ny akanjo tsaratsara.Tovolahy antsoina amin'ny anaram-bositra hoe: Monaka izay efa malaza ratsy amin'iny faritra Anosizato iny ary efa mpamerin-keloka nigadra noho ny asa fanendahana no ati-doha ary anisan'ny voasambotra. Natolotra ny fitsarana izy 7mianadahy ireto ka notanana am-ponja vonjimaika ny 6 raha arahi-maso kosa ny iray.
Pati
Legende : Ireto ry zareo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT