MPIVARO-DRONGONY ENY

TALATAMATY Mahalafo 30.000 Ar isan’andro


  • Zoma 22 Martsa 2024

Tovolahy iray 22 taona no tra - tehaky ny Polisin'ny STUP nivarotra rongony teny Talamaty 20 Martsa teo.

Mitohy hatrany ny ady ataon'ny Polisim-pirenena amin'ny famongorana ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina tahaka izao. Tratra ambodiomby mihitsy ity tovolahy ity rehefa naharay vaovao mahakasika izany ny tompon’andraikitra. Rehefa nosavaina ny trano fonenany dia nahatratrarana rongony miisa 40 fonosana izay hamidiny 1.000Ar sy 2.000Ar ny fonosana iray. Ankoatra izay mbola nahitana rongony natao tao anaty "sachet" miisa 25 tao aminy ka hamidiny 6000Ar ny iray. Noentina avy hatrany teny amin'ny Biraon'ny Polisy ity farany nanaovana fanadihadiana ka tamin'izany no nahafantarana fa mahalafo rongony 30. 000Ar isan'andro ity tovolahy ity. Efa naiditra am-ponja vonjimaika omaly moa ny anaolahy rehefa avy nohenoina teo anivon’ny fampanoavana.
Pati
Legende : Efa maka aina any am-pigadrana ity tovolahy tratra nivaro-drongony ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT