MPIVARO-DRONGONY AMIN’NY MPIANATRA

5 lahy tratra teny Andralanitra nidoboka am-ponja


  • Talata 23 Janoary 2024

Lehilahy miisa 05 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Poste Avancée Andralanitra

ny 19 janoary lasa teo rehefa nivarotra rongony tamin'ny mpianatra. Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy miasa ao amin'ny PPA Andralanitra raha tsiahivina dia nahatsikaritra mpianatra maromaro mandray zava-mahadomelina izy ireo. Rehefa nanontaniana ireto farany ny amin’ny fomba nahazoan'izy ireo ny rongony dia tsy nisalasala nanondro ny toerana nividiany izany. Fantatra tamin'izany fa teny Mahatsinjo sy Ikianja no nividianana ireo rongony ireo. Tonga teny an-toerana ny Polisy nikaroka ireo mpamatsy ka tratra tao an-tranony ireo 05 lahy mpivarotra zava-madomelona ireo. Ny lehilahy iray mbola nahitana fonosan-drongony miisa 78 sy sachet plastika feno rongony miisa 02. Ny iray hafa nahitana fonosana miisa 02. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly izy dimy lahy ireto.
Pati
Legende : Ireto izy dimilahy sy ireo rongony namidiny !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT