MPIVADY NIFAMALY

Maty notsatohan’ilay Rangahy tamin’ny hety ny vadiny


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Renim-pianakaviana iray izay fantatra fa nila ravinahitra tany amin’iny distrikan’Andapa iny

niaraka tamin’ny vady andefimandriny no maty notsatoham-badiny tamin’ny hety ny Alakamisy 07 Novambra alina lasa teo rehefa nifamaly izy ireo. Tao Bazary Ambanivolo, any Beanana Andapa izy ireo no nipetraka raha samy avy eto Antananarivo kosa no fiaviany. Rehefa Nihamafy ny fifandonana hoy ny vaovao dia kibon-dRamatoa sy lamosiny ary tratrany no nanamparan’ilay Rangahy ny heriny tamin’ny alalan’ilay hety natsatotsatony. Tsy nahatsiaro tena vokatr’izany ilay vehivavy ka voatery naiditra hopitaly. Na dia natao aza anefa ny fialana nenina dia namoy ny ainy ny Alatsinainy 11 Novambra teo ihany ilay Ramatoa. Mbola tsy hita kosa ilay Rangahy nahavanon-doza hatramin’ny nanoratana ny vaovao omaly hariva.
Pati
Legende : Ireto izy mivady !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT