Mpivady namorona “kidnapping”

Rangahy niafina, ramatoa nitaky 11 tapitrisa Ar


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Nolazain-dramatoa fa nisy naka an-keriny ilay rangahy, hoy ny fanazavana. Niafina tao ambony rihana nandritra ny 3 andro anefa ny anao lahy. Naelin-dramatoa tany amin’ny fianakaviana fa mitaky 11 tapitrisa Ariary ireo jiolahy raha tiana ho votsotra ny vadiny. Nikoropaka tokoa ny fianakaviana ary nandefa M'vola 7 tapitrisa ariary. Tamin'ny laharan'ilay rangahy ihany no nalefa ny vola ary teo no naha lasa saina ireo fianakaviana. Rehefa nandeha, noho izany, ny fanadihadiana dia tratran'ny zandary Ankazobe izao ihany izy mivady saika hivarotra saka be loha sy nanao mpamosavy malemy tamin’ny fianakaviany ireto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tranga sady mahatsikaiky no mahasosotra nefa mampiheritreritra ihany koa, hoy ny mpanara-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

  • Fanafihana
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

mitam-piadiana mpiasan'ny Jovenna

Hijery ny tohiny
FTT