MPIVADY MPIAMBINA TANANA NIVADIKA

Nangalariny sy namidiny avokoa ny entana tao an-trano


  • Talata 19 Aogositra 2025

Tsy tsara mihitsy ny diso mahatoky olona loatra.

Mpivady mpiandry tanàna teny Avarabohitra Itaosy, distrikan'Atsimondrano teny no fantatra fa nangalatra sy nivarotra ireo entana tao amin'ny trano izay nambenan'izy ireo. Aorian'izay dia mody miantso olon-kafa izy ireo hoe : haka entana ao aminy ka iny no tondron'izy mivady sy ambarant fa mpangalatra. Entiny hanakonana ny halatra nataon'izy ireo mialoha izany paikady izany. Tsy vitan'ny voafandrika ilay olona antsoin'izy ireo haka ny entana fa mbola darohiny ihany koa. Sarona anefa ny teti-dratsin'ireto mpivady ireto rehefa nanao ny famotorana sy ny fanadihadiana ny Zandary avy ao amin'ny Borigadin'Itaosy. Voasambotra hatramin'ny mpandray sy mpividy halatra teny amin'ny Voridamba Ampefiloha.
Pati
Légende : Ity ilay mpiambina tanana mody nitapy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT