MPIVADY HODY TENY FENOARIVO

Nendahina tovolahy miisa 5 avy eny Anosibe


  • Zoma 25 Aprily 2025

Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika.

Mpivady handeha hamonjy fodiana vao tamin’ny 06 ora hariva no fantatra fa nisy nanendaka teo amin'ny sampanan'ny Malaza Fokontany Ampefiloha kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano afak’omaly Alarobia 23 Aprily. Tovolahy miisa 5 no fantatra fa nanendaka ka lasany tamin’izany ny radio carte JBL iray, niampy sakaosy sy poketra. Nobedain’izy ireo ilay rangahy raha tafatsoaka niampita arabe ny vadiny sady niantso vonjy. Nantsoin'ny fokonolona teo no ho ny tompon’andraikitra izay nanao fisafoana tsy lavitra ilay toerana. Voasambotra vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny fokonolona ny roalahy tamin'ireo 5 lahy raha tsy ela taorian’izay dia voasambotra ny 3 lahy namany.Tovolahy 17, 19, 20, 20 ary 22 taona samy mponina eny Ivolaniray Anosibe Boriborintany faha-IV avokoa izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy 5 mirahalahy mponina avy eny Anosibe !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT