Fandriampahalemana

Mpitsara sy mpiandry fonja Fitsarana mikatso, gadra tafaporitsaka…


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Voakiana mafy ny resaka fitsarana sy ny mpandraharaha ny fonja mikasika ny resaka fitazonana am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao.

Anisan’ny nanamarika izany ny Tranparency Internatilonal. Tsy mandeha ny fitsarana, ary voalaza fa mahatratra an-taonany maro ny fitazonana am-ponja vonjimaika ho an’ny sasany na raharaha ady heloka tsotra aza. Eo ihany koa ny resaka fahatafaporitsahan’ny gadra, saika sesilany tato ho ato. Votsotra ny gadra, ary toy ny efa mahazatra ny hoe efa mandeha ny fikarohana. Tsy tena misy ny tatitra mazava sy ara-potoana momba ny fivoaran’ny raharaha, ka maro amin’ny olom-pirenena no velom-panontaniana hoe: mba misy tokoa ve ny fandraisan’andraikitra sa vitavita ho azy ireny ? Tsikaritra ho misy ny tsy fifankahazoana ara-pomba fiasa eo amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny mpandraharaha ny fonja eo anatrehan’ireny raharaha fitsoahan’ny gadra ireny, toy ny fahataran’ny fampandrenesana, izay mampiahiahy ihany. Sanatria ve tena mandeha tokoa ny kolikoly eny anivon’ny fonja amin’ny famoahana gadra antsokosoko ? Efa nisy mantsy ny tranga nampifanolana ny mpandraharaha ny fonja sy ny zandary, toy ny tany amin’iny faritra Alaotra iny hoe olona tokony higadra, kanefa tratra nanao fanafihana, ka voalaza fa mandoa 200 000Ar ho saran’ny fivoahana. Mety ho lasa fitaovana ve ilay resaka fanaovan’ny gadra asa ivelan’ny fonja. Somary nandetika ny mpandraharahan’ny fonja ihany koa ny fanjakana tamin’ny nahavotsotra an’i Houcine Arfa, ilay Frantsay nigadra teto, ka nogadraina ireo mpandraharaha ny fonja miisa telo niambina azy. Na izany na tsy izany ihany koa anefa, dia efa hatry ny ela ny mpandraharahan’ny fonja no nitaraina momba ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa. Tsy mifanerana amin’ny isan’ny gadra ny fotodrafitrasa. Miisa  1024, ohatra, ny ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy amin’izao fotoana izao raha toa ka 300 monja no zakany. Mila vahaolana maro lafy mba hisian’ny fifampatokisana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT