Fandriampahalemana

Mpitsabo naratra notafihan'ny dahalo Nalaina helikoptera hanavotana ny ainy


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, indrindra amin’izao faramparan’ny taona izao. Tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivolo fa dia ahenoana tranga fanafihan-dahalo mila ho isan’andro.


Tany Tsaratanana, faritra Betsiboka izao dia lehilahy mpitsabo iray sy polisy iray no notafihin'ny jiolahy mirongo basy, ny alin’ny alatsinainy krismasy 25 desambra teo. Lasa ny vola sy ny vary amin’ny gony tao amin’ilay polisy. Naratra mafy amin’ny faritry ny loha sy ny maha lehilahy azy kosa ilay mpitsabo, ankoatra ny entana very tao aminy. Nandefasana helikoptera mihitsy tany Tsaratanana omaly maraina naka ilay mpitsabo ary nentina notsaboina aty Antananarivo. Nanao fanamiana miaramila ireo jiolahy, niisa fito izy ireo ary samy mirongo fitaovam-piadiana avokoa. Fanambin’ity governemanta Solonandrasana Mahafaly Oivier ity ny hiady amin’ny tsy fandriampahalemana tao anatin’iny telo volana farany tamin’ity taona 2017 ity, saingy lavitry ny tanjona ny zava-misy, vao mainka mirongatra indrindra ny fakana takalonaina sy fakana an-keriny. Dia mbola hisy mpitondra hahasahy hilaza ve fa voafehy io fandriampahalemana io, raha tsy mandry fahalemana anefa ny tanàna inona no fampandrosoana hisy eo ?

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT