Fandriampahalemana

Mpitondra taxi nisandoka ho kaomisera An-tapitrisany maro ny vola efa azony taman’olona


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Miha mitombo hatrany ireo mpisoloky eto amintsika. Lehilahy iray 48 taona indray no saron’ny kaomisarian’ny

boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo rehefa nisoloky sy nivadika tamin’ny fitokisana ary nisandoka andraikitra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Milaza amin'ny olona ity rangahy ity fa kaomisera miasa ao amin'ny Polisy misahana ny ady heloka bevava na "Brigade Criminelle" ao Anosy sakelika faha-4. Hngalany vola an-tapitrisany ireo olona solokiany mba hanavotana ireo izay manana afera amin'ny heloka bevava ary tsy hita intsony izy avy eo. Maro ireo efa tratrany tamin'izany ary misy ireo hanaovany fanamparam-pahefana mihitsy noho izany andraikitra lazainy fa sahaniny izany. Rehefa nandeha anefa ny fikarohana dia fantatra fa mpitondra fiara karetsaka ihany ity lehilahy ity fa tsy kaomisera velively. Natolotra ny Fampanoavana tamin’ny zoma 10 teo ny lehilahy ka vesatra telo be izao niampangana azy, dia ny fivadiam-pitokisana amin'ireo olona efa nangalany vola, fisolokiana, ary ny fisandohana andraikitra. Naiditra eny amin'ny fonjan' Antanimora vonjimaika ity lehilahy ity miandry ny fitsarana azy.
Pati
Legende : eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mitondra taxi niana-kendry nisoloky ho kaomisera
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT